Accueil     Contact          Langue :   Malagasy Français
NY LANITRA SY NY HELO
  ¦→ Angelica 1er voyage
  ¦→ Brani DUYAN
  ¦→ Fabiola
  ¦→ Gaby RAMBELO
  ¦→ John BUNYAN
  ¦→ Lorne FOX
  ¦→ Mary K. BAXTER
  ¦→ Moine boudhiste
  ¦→ Renus OLSON
  ¦→ Rév Park Yong Gyu
  ¦→ Seneca Sodi
  ¦→ Tanora Kolombiana 7
  ¦→ Vehivavy wesleyan iray
  ¦→ Victoria NEHALE
  ¦→ Villalobos
  ¦→ Yves
  ¦→ ...

  ¦→ 7 jeunes colombiens
  ¦→ Angelica 1er voyage
  ¦→ Angelica 2è voyage
  ¦→ Bernarda FERNANDEZ
  ¦→ Brani DUYAN
  ¦→ Carmelo BRENES
  ¦→ Collet PERCY
  ¦→ Dr Augusto MAQUENGO
  ¦→ Emmanuel AGYARKO
  ¦→ Ex-sataniste
  ¦→ Jenifer PEREZ
  ¦→ John BUNYAN
  ¦→ Mary K. BAXTER
  ¦→ Moine boudhiste
  ¦→ Seneca Sodi
  ¦→ Une artiste coréenne
  ¦→ Victoria NEHALE
  ¦→ Yves
  ¦→ ...

OLONA NIOVA FO
  ¦→ Bakajika MUANA NKUBA
  ¦→ Emmanuel ENI
  ¦→ ...

  ¦→ Ancien boudhiste
  ¦→ Bakajika MUANA NKUBA
  ¦→ Emmanuel ENI
  ¦→ Françoise LUTALA
  ¦→ Henri GIMENEZ
  ¦→ Lisungi Mbula
  ¦→ Moussa KONE
  ¦→ Nicky CRUZ
  ¦→ ...

FAHAGAGANA
  ¦→ Daniel EKECHUKWU
  ¦→ Stanley PRAIMNATH
  ¦→ ...
FIJOROANA VAVOLOMBELONA
NY LANITRA SY NY HELO
FITENY MALAGASY
Renus OLSON : Vao tafandry teo am-pandriana fotsiny aho dia nahita an’i Nenitoa Maria teo amin’ny vavahady perlan’ny lanitra. Inty tamy anjely iray nitsena azy, dia nandray azy tamin’ny tanany ka nanao hoe : « VOALOHANY dia tokony hanao fanamarihana any amin’ny Sampan-draharahan’ny FITANANA NY BOKY isika» ... (Vakiana manontolo)
Angelica 1er voyage : Nolazain’i Jesosy tamiko fa be dia be ny olo-malaza very aty amin’ny helo. Ohatra amin’izany i Mickael Jackson. Nalaza dia nalaza izy teto amin’izao tontolo izao, saingy “sataniste”, nanao fifanarahana tamin’ny devoly. Izany no nahazoany mpankafy marobe nanaraka azy teto amin’izao tontolo izao. Hitako very any amin’ny helo izy. Mikiakiaka mafy ao anaty afo izy. Milaza aminao aho, fa na iza na iza mihaino, mihira na mankafy ny hirany dia mihazakazaka mankaty amin’ny helo izy. (Vakiana manontolo)
Brani DUYAN : Teneno ny zanako hanome fahafolon-karena ary fanatitra amim-pahatokiana, hoy ny Tompo Jesosy. Nasehony ahy trano tsara tarehy izay efa nomanina ho an’ny zanany. Nasehony trano tsy mbola vita ihany koa aho. Ry zanako, ireo trano ireo dia an’ireo olona izay tsy mba nanolotra fahafolon-karena sy tsy nanao fanatitra tamim-pitiavana. Ho vita ireo trano ireo rehefa manome ampahafolon-karena sy fanatitra ao an-tranoko izy ireo. (Vakiana manontolo)
Fabiola : Ny mpanota dia mbola afaka miala amin'ny ratsy fanaony raha mbola eto an-tany, ka raha vonona ianao dia sokafy ny fonao, manetre tena, mandohalia eo ampototry ny hazo fijaliana, mibebaha, mifonà, antsoy Jesosy. Raha Kristianina ianao ka tianao ny ho any an-danitra dia aza mijoro amin'ny pasitera na ny fiangonana fa mijoroa amin'ny tenin'Andriamanitra dia Jesosy Kristy izany. Vakio ny baiboly, Mamela ny helok'ireo olona anananao alahelo, manaova ny sitrapon' Andriamanitra ... (Vakiana manontolo)
Gaby RAMBELO : Boky iray mitantara ireo fijoroana vavolombelona momba ny helo sy ny Paradisa nataon'ireo olona samihafa efa nampahitana izany. (Vakiana manontolo)
John BUNYAN : Nandany ny andronao amin’ny fanarahana ny ota ianao ary nihosina amin’ny fahalotoanao, dia handeha ho any an-danitra ve ianao rehefa maty ? Tsy ny olona very saina ihany ve no hihevitra izany ho mety ? Tsia, izay mikasa matotra tsara ny ho any an-danitra rehefa maty, dia tokony handeha amin’ny làlan’ny fahamasinana sy ny fahatsaran-toetra amin’ny androm-pahavelomanany ... (Vakiana manontolo)
Lorne FOX : Raha nandry nitsilany, nandritra ny ora telo mahery aho, indray tolak’andro, dia nanome ahy fahitana ny Tompo. Nanaitra sy nanetsika ny foko ny fahitana ny sasany tamin’ireo voninahitry ny lanitra; ary nony avy eo dia navelany hahita ny sasany amin’ireo zava-mahatahotra sy mahatsiravin’ny helo aho ... (Vakiana manontolo)
Mary Kathryn Baxter : Tsy nety nino ny fahamarinana ianao. Efa im-betsaka no nalefa tany aminao ny oloko mba hanoro anao ny làlana, nefa tsy nety nihaino azy ianao. Nihomehy azy ianao, nolavinao ny Evanjely. Eny fa na dia maty ho anao teo ambony Hazofijaliana aza Aho, nanaraby Ahy ianao, ary tsy nety nibebaka noho ny helokao. Nomen’ny Raiko fotoana mety im-betsaka ianao mba ahafahanao ho voavonjy ... (Vakiana manontolo)
Moine boudhiste : Nahita lehilahy iray tao anaty afo aho ka nanontany ny mpanjakan’ny helo : « Fa iza moa io ? » Dia namaly izy hoe : « Io ilay ivavahanareo dia i Gautama na i Bouddha. Gaga be aho nahita an'i Gautama any amin’ny afobe. Tsy nino aho ary niteny hoe : « Gautama dia olona tsara toetra, nahoana izy no aty amin'ny afobe ? » Hoy ny mpanjakan'ny afobe : « Tsy dia misy antony loatra na tsara aza ianareo. Tonga ato amin'ity toerana ity izy satria tsy nino an'ilay Andriamanitra mandrakizay. (Vakiana manontolo)
Rév Park Yong Gyu : Nametraka fanontaniana 5 tamiko ny Tompo: « 1- Firy ny fotoana laninao namakiana ny Tenin’Andriamanitra? 2- Firy ny fanatitra efa nomenao? 3- Impiry ianao izao no efa nitory tamin’olona? 4- Ara-dalana tsara ve ny fandoavanao ny ampahafolon-karena? 5- Firy ny fotoana laninao nivavahana? » (Vakiana manontolo)
Seneca Sodi : Fijoroana vavolombelona nataon'ny lehilahy iray nitoetra 40 andro tao amin'ny fanjakan'ny lanitra. "Efajoro ny tanàna: mitovy ny halavany sy ny sakany. Ny haavony koa dia mitovy refy amin'ny sakany sy ny halavany. Mitovy amin'ny cube lehibe iray izay mirefy 12000 stadio ny tanàna." (Vakiana manontolo)
Tanora Kolombiana 7 : Ny 11 Avril 1995 dia nentin'i Jesosy Tompo nitsidika ny helo izy ireo. Hitany tao avokoa ireo: mpijangajanga, mpanaraby ny fivavahana, mpisotro toaka, "homosexuels", mpangalatra, mpandihin'izao tontolo izao. (Vakiana manontolo)
Vehivavy wesleyan iray : Maro tamin' ireo olom-pantany tety an-tany no nofantariny tao anatin' ilay toeram-pijaliana, eny fa na dia ireo izay noheverina ho kristiana aza. Tany ny andriam-bavy sy ny mpiasa tany, ny manan- karena sy ny mahantra, ny nianatra sy ny tsy nianatra, niara-nijaly tao anaty AFO mahatahotra sy tsy azo vonoina, izay nifarànan' ny mari-boninahitra sy ny fahambonian' ny tany rehetra mandrakizay ... (Vakiana manontolo)
Victoria NEHALE : Vehivavy Namibiana iray nanehon’ny Tompo zavatra ara-panahy maro. "Na dia mahatonga fanahy an-tapitrisany ho an’ny Tompo aza isika, dia mety ho lasa any amin’ny helo raha vao manao zavatra mampalahelo ny Fanahy Masina. Tsy natao hikarakara ny fanahin’ny hafa ihany isika fa natao hihevitra ny fanahintsika ihany koa"... (Vakiana manontolo)
Villalobos : « Ilay mpamono olona Portorikana iray nahita ny helo ».Nidaboka mba hatory izy tamin' ny toerana anankiray, dia nentin' ny anjely ho any an-danitra. Afa-nahatazana ilay tanàna tsara tarehy izy, avy teo am-bavahady ka nahita ireo vahoaka sambatra sy ny fiadanam-be izay nanjaka tany ... (Vakiana manontolo)
Yves : “Ho entiko ao an-tranon’ny Ray ianao ry Yves” hoy Jesosy. Nahatsapa izy fa lasa niakanjo fotsy mirebareba ary nisy satro-boninahitra volamena iray nipetraka teo ambony lohany.Ny lalana mankany amin’ny fiandrianan’ny Ray dia vatosoa tsara tarehy avokoa. Hitako ilay seza fiandrianan’ny Ray izay volamena ihany koa. Nipetraka teo ambonin’io seza io Izy. Manjelatra be ny lohany. Tsy hay nojerena izany fa ny tongony no hitako” ... (Vakiana manontolo)
 
  ¦→ Efa tonga ny famonjena
  ¦→ Fanampiana mahagaga
  ¦→ Finoana Sahy
  ¦→ Fitondrana mahagaga
  ¦→ Mamonjy foana A/tra
  ¦→ Mahita Andriamanitra
  ¦→ Tara avion
  ¦→ Valimbavaka
  ¦→ Voavotra
  ¦→ ...

  ¦→ Fanalahidy
  ¦→ Toetra kristiana
  ¦→ ...