|
FIJOROANA VAVOLOMBELONA OLONA NIOVA FO FITENY MALAGASY Emmanuel ENI : Tantaram-piainan’ilay mpimasy Nigeriana iray nikoizana izay afaka tamin’ny herin’ny maizina ary mampiseho ny asan’Andriamanitra tapitr’ohatra sy ny fahefany. “.Aoka ho fantatry ny kristiana, fa raha vao manomboka midera an’Andriamanitra marina izy ireo, dia mahatonga fikorontanana sy fisavorovoroana na any anaty ranomasina izany, na eny amin’ny rivotra. Ireo miaramilan’i satana dia tsy mahita fitsaharana vokatr’izany. Ny vavaka dia tahaka ny bomba alatsaka eo aminy ka samy manao izay hamonjena ny ainy izy ireo avy eo.”... (Vakiana manontolo)
Bakajika MUANA NKUBA : Zaïrois mpanao majika lehibe iray nandao an'i Losifera mba hanara-dia an'i JESOSY KRISTY. Na dia mbola tanora aza dia tena tafiditra lalina tamin'ny majika rehefa notaomin'ilay pretra iray tao amin'ny paroasiny. Ny fahasimbana dia mitranga eo amin'ny fotoana hanaovana fifanarahana amin'ny devoly (pacte). Ary ny devoly dia manisy ny tombokaseny eo amin'ny fanahin'ny olona ary mandray an-tànana tanteraka ny fitantanana ny maha-izy azy rehetra; amin'izay fotoana izay no tanteraka ny fahasimbana mankany amin'ny afobe. (Vakiana manontolo)
|
|